1 Timothy 1

1Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy araka ny didin’Andriamanitra mpamonjy antsika sy i Kristy Jesosy tokintsika, 2ho an’i Timoty, zanaka lahy marina ao amin’ny finoana: Fahasoavana, famindram-po, ary fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesosy Tompontsika.

3Araka ny nangatahiko mafy ho ataonao rehefa niala tao Makedonia aho, mitoera ao Efesosy mba hahafahanao mibaiko ireo olona sasany tsy hampianatra foto-pampianarana hafa 4Tsy tokony hitandrina ireo tantara sy tetiarana tsy misy fiafarany izy ireo. Ireo dia niteraka adihevitra fa tsy manampy ny drafitr’Andriamanitra, izay amin’ny alalan’ny finoana.

5Ary ny tanjon’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio, avy amin’ny feon’ny fieritreretana tsara, ary avy amin’ny finoana tsy mihatsaravelatsihy. 6Ny olona sasany dia tsy nahatratra ny tanjona ary niala tamin’ireo zavatra ireo ho any amin’ny lahateny adaladala. 7Izy ireo dia te ho mpampiana-dalàna, kanefa izy ireo tsy mahazo izay lazainy sy hizingizinin’izy ireo. 8Fa isika dia mahafantatra fa ny lalàna dia tsara raha misy iray mampiasa azy amin’ny ara-dalàna.

9Isika dia mahafantatra izany, fa ny lalàna dia tsy natao ho an’ny olo-marina, fa ho an’ny mpandika lalàna sy olona mpikomy, ho an’ireo ratsy fanahy sy mpanota, ary ho an’ireo andriamani-diso sy tsy masina. Izany dia natao ho an’ireo izay mamono ny ray sy reniny, ho an’ireo mpamono olona, 10ho an’ireo ratsy fitondran-tena ara-nofo, ho an’ireo sodomita, ho an’ireo mpaka an-keriny olona mba ho andevozina, ho an’ireo mpandainga, ho an’ireo vavolombelona tsy marina, ary na inona na inona hafa manohitra ny fampianarana mahatoky. 11Io fampianarana io dia mifanaraka amin’ny filazantsaran’ny voninahitr’ilay Andriamanitra voatahy izay nankinina tamiko.

12Isaorako i Kristy Jesosy Tompontsika. Nampahery ahy Izy, fa nataony mahatoky aho, ary nanendry ahy ho amin’ny fanompoana Izy. 13Izaho dia mpiteny ratsy, mpanenjika, ary lehilahy mahery setra. Kanefa nahazo famindram-po aho satria tamin’ny tsy fahalalana no nanaovako izany noho ny tsy finoana. 14Fa ny fahasoavan’ny Tompontsika no nandrakotra tamin’ny finoana sy fitiavana izay ao amin’i Kristy Jesosy.

15Izao hafatra izao dia azo antoka sy mendrika ny fanekena rehetra, fa i Kristy Jesosy dia tonga teto an-tany hamonjy ireo mpanota. Izaho no ratsy indrindra tamin’ireo. 16Fa noho izany antony izany no namindrana fo tamiko, mba amin’ny alalako, ny lehibe indrindra, i Kristy Jesosy dia mety hampiseho ny faharetana rehetra. Nanao izany Izy ho ohatra ho an’ireo izay maniry hatoky Azy ho an’ny fiainana mandrakizay. 17Ary ho an’ny mpanjakan’ny taona, tsy mety maty, tsy hita maso, ny Andriamanitra tokana, anie ny laza sy voninahitra mandrakizay doria. Amena.

18Izao didy izao no omeko anao, Timoty, zanako, araka ireo faminaniana natao momba anao tany aloha, fa ianao dia mety hiady ny ady tsara, 19ny fiazonana ny finoana sy ny feon’ny fieritreretana tsara. Tamin’ny fandavana izany, misy ny nanao sambo vaky ny finoany. Tahaka an’i Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an’i Satana mba ampianarana azy ireo tsy hiteny ratsy.

20

Copyright information for PltULB